Ry havana,

 
Na vao voalohany aza ianao no tonga eto na efa mpijery matetika ity tranonkala fampitana ny vaovao mikasika ny fiainan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Frantsa eto Amiens (FPMA Tafo Amiens) ity,

 

MIARAHABA ANAO TONGA SOA

 



Efa ela isika no nahatsapa fa tokony hisy fitaovana toa itony tranonkala itony eto anivon’ny Fiangonantsika mba hahafahantsika mifanankalo hevitra eo amin’ny lafiny maro indrindra mba ho fampiroboroboana ny finoantsika sy ho fampandrosoana ny Fiangonana.

Izany dia ahitana taratra ny finiavan’ny tompon’andraikitra ny hampandroso ny Fiangonana izay ampian’ny herin’Andriamanitra.

Ny FPMA Amiens dia Fiangonana misokatra. Koa noho izany àry dia fifaliana hatrany ny handraisana anao na eto amin’ny tranonkala izany na mandritra ny fotoam-pivavahana in-droa isam-bolana amin’ny 10 ora sy sasany maraina (ny alahady faharoa sy fahaefatra ny volana) ao amin’ny Eglise Réformée, 28 rue  millevoye - 80000 Amiens.

Mirary fitsidihana  feno fahombiazana ry Havana ary ny Tompo anie hitari-dàlana anao hatrany.

Ny Filoha

 


Andriamatoa TSARAVIANA Marius

 


 

Photos aléatoires

Contactez-nous

Nous avons 1 invité(s) en ligne.
Créer un blog sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur avec TF1 Network - Signaler un abus